Nomelohin'ny fitsarana iray any avaratra andrefan'i Rosia higadra 14 andro an-tranomaizina ny olom-pirenena amerikana iray taorian'ny fiampangana azy ho nanoratra 'hafatra mpomba ny Okrainiana' tamin'ny findainy, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ao amin'ny faritr'i Pskov ao Rosia.
Alexander Antonov, izay mizaka ny zom-pirenena Rosiana ihany koa, dia voalaza fa nanoratra ny fehezanteny hoe “Slava Ukraine” (“Voninahitra ho an'i Okraina”) tamin'ny findainy, araka ny tatitra. Tsy mazava raha nosoratana tao anatin'ny toe-javatra manokana io fehezanteny io na hita ampahibemaso.
Tamin'ny Janoary 2024, nosokajian'ny Minisiteran'ny Fitsarana ao Rosia ho toy ny 'marika Nazi' sy 'Teny filamatra Nazi' ity fehezanteny ity. Araka ny lalàna Rosiana, ny fampirantiana na fampiroboroboana ny 'marika Nazi' ampahibemaso dia mety hiafara hatramin'ny 15 andro an-tranomaizina.
Voalaza fa nahita an'io fehezanteny io ny tompon'andraikitry ny sisintany Rosiana rehefa nijery ny telefaona an'i Antonov teo amin'ny sisintany mampitohy an'i Estonia sy ny faritr'i Pskov ao Rosia. Tsy nanazava ny tatitra raha niditra na nandao an'i Rosia i Antonov.
Araka ny tati-baovao, ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Pechora dia nandidy ny haka ny findain'i Antonov miaraka amin'ny fanasaziana azy higadra 14 andro.
Tsy hita tao amin'ny tranokalan'ny fitsarana ny raharaha ara-pitantanan'i Antonov, noho izany dia mbola tsy fantatra mazava ny fotoana nijeren'ireo mpiasan'ny sisintany Rosiana ny findain'i Antonov sy ny fotoana fitsarana azy.
Taorian'ny fananiham-bohitra tanteraka nataon'i Rosia an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022, nampihatra sazy an-tranomaizina sy lamandy an'arivony ho an'ny olona ny manampahefana Rosiana noho ny fanakianana an-karihary ny ady na fanehoana fanohanana an'i Okraina.