Ny hetsika maha-olombelona, Refugee Air, dia mikendry ny hitondra ireo Syriana mpitsoa-ponenana soa aman-tsara any Eoropa. Nilaza ny mpitondra tenin'ny fikambanana Soedoà tsy mitady tombony fa hitondra mpitsoa-ponenana any Stockholm alohan'ny hahatongavan'ny lanezy voalohany ny fiaramanidina voalohany.
Ny fameperana ara-dalàna dia nahatonga ny olona tsy manana visa handeha amin'ny fiaramanidina. Mba hanampiana amin'ny fampihenana ny fahafatesana sy ny fandehanana mampidi-doza eo am-pelatanan'ny mpanondrana an-tsokosoko, ny Refugee Air dia mikendry ny hanofa fiaramanidina sy hanidina azy ireo avy any Syria mankany Eoropa. Fanomezana maro, fanohanana avy amin'ny vahoaka ary fiaraha-miasa amin'ny ONG no hanampy amin'ny fanatanterahana ity tetikasa ity atsy ho atsy.