Ny Banky Iraisam-pirenena, fikambanana ara-bola iraisam-pirenena izay manome fampindramam-bola sy fanomezana ho an'ny governemanta any amin'ny firenena ambany sy antonony ho an'ny fampandrosoana ara-toekarena, dia nanambara ny fanapahan-keviny hanaisotra ny hetsika fampandrosoana fizahan-tany mitentina 150 tapitrisa dolara ao amin'ny valan-javaboary Ruaha ao Tanzania noho ny fiampangana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny manampahefana ao amin'ny valan-javaboary.

Ity fanapahan-kevitra ity dia maneho fahasahiranana lehibe ho an'ny tetikasa, izay natao hanamafisana ny fizahantany sy ny ezaka fiarovana ao anatin'ny iray amin'ireo valan-javaboary lehibe indrindra ao Tanzania.
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, mety hamindra mponina 21,000 eo an-toerana ny fikasan'ny governemanta Tanzaniana hanitarana ny valan-javaboary Ruaha.
Ny hetsika, fantatra amin'ny anarana hoe Resilient Natural Resource Management for Tourism and Growth (REGROW), dia natao hampitomboana ny fidiram-bolan'ny fizahan-tany any Ruaha sy ireo valan-javaboary atsimo hafa ao Tanzania, izay mahasarika mpitsidika vitsy kokoa raha oharina amin'ireo valan-javaboary Serengeti sy Ngorongoro malaza kokoa any avaratra. Tamin'ny 2008, namoaka didy ny governemanta Tanzaniana izay nanitatra ny sisin-tanin'i Ruaha, fanapahan-kevitra nohamafisina indray tamin'ny 2022. Ny fampiharana io drafitra io dia mety hilana ny fandroahana mponina an'aliny.
Ny Oakland Institute, fikambanana mpiaro ny zon'olombelona any Etazonia, miaraka amin'ny mponina ao an-toerana, dia nilaza fa nanao fanentanana fampitahorana ireo mpiandry sy mpamboly ao anatin'ny faritra fanitarana ireo mpiambina avy ao amin'ny Tanzania National Parks Authority (TANAPA). Ity fanentanana ity dia voalaza fa misy tetika toy ny famonoana olona tsy ara-dalàna, ny fakana omby, ary ny fanjavonana an-keriny.
Namoaka fanambarana avy amin'ireo 'mponina voakasik'izany' ny Oakland Institute maneho ny fanoherany ny fanitarana ny Ruaha.
“Tao anatin'ny tsy fahatokisana ny fiainantsika satria mihantona isan'andro ny fandrahonana fandroahana. Efa an-taonany maro no simba ny fivelomanay, tsy afaka mianatra ny zanakay, tsy voavoly ny toeram-pambolenay, ary alaina an-keriny ny ombinay. Tsy afaka hiaritra izany toe-javatra izany intsony izahay”, hoy izy ireo.
Tamin'ny taona 2023, nanampy mponina roa teo an-toerana ny Oakland Institute tamin'ny fametrahana fitarainana momba ny REGROW tany amin'ny tontolon'ny fanaraha-maso an'ny Banky Iraisam-pirenena, nilaza fa tsy nanaraka ny politikan'ny fiarovana anatiny ny banky.
Ho setrin'ny fiampangana dia nandefa delegasiona ny banky hanadihady ireo fitakiana ary nampiato ny famatsiam-bola ho an'ny REGROW tamin'ny Aprily 2024. Tamin'ny Novambra 2024, dia tapaka tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa noho ny fangatahan'ny governemanta Tanzaniana.
Tao anatin'ny fanambarana nivoaka tao amin'ny tranokalany, ny Oakland Institute dia nanentana ny governemanta Tanzaniana mba handinika indray ny drafitry ny fanitarana an'i Ruaha sy hanome onitra ho an'ny mponina noho ny omby nogiazana sy ny lamandy azony avy amin'ny TANAPA.
Araka ny filazan'ny tale mpanatanteraka ny fikambanana dia samy - ny governemanta sy ny Banky iraisam-pirenena dia tsy maintsy samy tompon'andraikitra amin'ny fahavoazana aterak'izany noho ny tsy firaharahan'izy ireo ny zon'olombelona fototra, amin'ny fikatsahana ny fampisondrotana ny fidiram-bolan'ny fizahantany.